Miaraha aminay eto amin'ity tranokala ity raha hampahafantatra ny vokatra vokarinao ianao. Manomboka eo amin"ny famolavolana ny endriky ny fisehoana ka hatramin'ny hanatanterahana azy. HafamHitsy Inc. sy ny sampany NEKKO TRIZED concept dia fiaraha-miasa hahafahana manantotosa ny tetikasanao ho amin'ny fanehoana vokatra sy ny fanatsarana ny endrika fisehoany na amin'ny alalan'ny dokambarotra na amin'ny alalan'ny topitazana (aperçu).TONGA SOA ARY!
Ny HafamHitsy Inc. dia orinasa maniry hiaraka miasa amin'ireo mpandraharaha rehetra indrindra fa ireo eto an-toerana. Sahaninay avokoa na resaka fanehoana anjery (visuels) na fanehoana an-topitazana (maquette 3D na aperçu) an'ireo tetikasanao rehetra. Ny dokambarotra, horonantsary fohy (video intro, lyrics video) na horonantsary lava (films).
HafamHitsy Inc. no mikarakara ny lafiny horonantsary rehetra. Azony atao ny miara-miasa amin'olona rehetra izay te hirakitra amina horonantsary ny tranga na hetsika zay misy rehetra(Clips, Spectacles...). Mbola ny HafamHitsy Inc. ihany koa no manao ny sehokanto an-jery (motion design) ho an'ny zavatra rehetra tiana haseho an-tsarimihetsika.
Nekko Trizzed no mpiaramiasa aminay amin'ny resaka fanehoana anjery rehetra. Ny dokambarotra amin'ny alalan'ny karazana boky na bokikely na takelaka (Affiche, Affichette, dépliant, flyers...). Izay rehetra heverina ho zavakanto ara-printy dia izy ireo no miandraikitra azy, eny hatramin'ny famoronana fanamiana na faneva ihany koa aza.
Izahay dia manana: taona maro ara-traikefa, famoronana voadinika tsara, sarany tena mirary, fanomezana fahafahapo ny tinady arak'izay ilaina.
Fanarahamaso maimaimpoana ny asa efa natolotra sy fanampiana ny mpanjifa ao aorian'ny fiaraha-miasa naraikitra rehetra
ndao hifandray aminay dinikasa maimaipoana na manorata aminay.
Siège social:
LOT 19 C 170 Mahazoarivo atsimo
110 ANTSIRABE
MADAGASCAR
Tél. +261 034 59 862 92
Whatsapp +261 034 42 048 72
e-mail: hafamhitsy@hafamhitsy.site
*Andefaso hafatra izahay raha te hahafantatra misimisy kokoa